Ny sasakalin`ny zoma hifoha sabotsy teo no niroso tamin`ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana izay napetrak’ireo kandidà niatrika ny fivoriambe niaraka tamin`ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana ( CENI) tetsy Nanisana.
Nialoha izay dia nisy ny adihevitra mafy sy mafana ary samy naneho ny fahitany ny tsy fahatomombanan`ny fikarakarana fifidianana teny am-boalohany kanefa toa nivadika ny fitakiana avy eo. Sesilany ny tsy fitovian-kevitra ary tsy nifanaraka ny kandidà sasany satria nisy ireo nametraka amin`ny tsy tokony hanemorana ny datim-pifidianana. Mipetraka ny fanontaniana teo anivon`ireo kandidà teny Nanisana amin`izay mety ho herin`ity fifanarahana ity sy ny mety ho fiantraikany sy mety hampiharana azy izay tsy maintsy hitarika fanemorana fifidianana sy datim-pifidianana raha tanteraka. Hatreto aloha dia samy niara-nanaiky ireo mpivory fa tsy lavorary ary mila fanadiovana ny lisi-pifidianana satria handiso ny voka-pifidianana sady hiteraka korontana eto amin`ny firenena raha tsy asiana fanadiovana ny fanatsarana. Noho izany, mitaky ny fisokafana ny lisi-pifidianana mba hahafahana manitsy sy manafoana izay lesoka rehetra misy, ka anjaran`ny CENI, izay hohatevenin`ny solontenan`ny kandidà no miantoka ny fanatanterahna izany sy ny vokatra araka ny lalàna aterany. Hatsangana ny Fitsarana Manokana Mahefa hitsara ny rahaham-pifidianana toy ny Cour Electorale Speciale (CES) teo aloha. Farany, hajoro haingana ny fivoriambe Mahefa (conference souveraine) mba handidnika sy handray ny fanapahan-kevitra rehetra ilaina amin`ny fanadiovana ny tontolo manodidina ny fifidianana. Taorian’ny fivoriana, nisy ireo kandidà nitaky ny fanatanterahana haingana ny fifanarahana vita sonia ka ny alarobia ho avy izao no hotanterahina eny amin’ny CCI Ivato ny “conference souveraine” izay hanasana ny fiarahamonim-pirenena, ireo andrim-panjakana ary izay rehetra mahita fa tsy mandeha amin`izay laoniny ny fifidianana. Ny CENI dia nanaiky fa nisy ny lesoka tamin`ity fifidianana ity saingy efa tafapetraka ny datim-pifidianana ka tsy maintsy miroso hatrany amin`ny fanatanterahana ny safidim-bahoaka.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.