Anio no hotanterahina eny amin`ny CCI Ivato ny Fihaonambe ho an`ny fiandrianana na “conference souveraine” karakarain`ireo kandidà 26.
Ho tohin`ny sonia nataon`ireo kandidà tamin`ny zoma lasa teo momba ny antony tokony hanemorana fifidianana ity dinika ity ary natao ihany koa handamina hatrany ny sehatry ny fifidianana izay tsy mazava. Manodidina ny arivo no handray anjara ao, ahitana solontena avy any amin`ny faritra, fiarahamonim-pirenena, ireo tompon’andraiki-panjakana sy ny rantsamangaika amin’ny sehatry ny fifidianana hasaina manatrika. Mbola nohamafisin`ny kandidà iray fa hanasana ny mpitondra fanjakana izy io ka raha tsy tonga aza izy ireo dia andefasana tatitra izay tapaky ny besinimaro. Teboka telo miainga amin`ilay fifanarahana politika no hovoizana mandritra ny fihaonambe mba ahafahana manana fifidianana tony sy eken`ny rehetra, hoy hatrany ny fanazavana. Hatreto, tsy misy ny hevitra na fepetra raisin`ny fitondram-panjakana na ny eo anivon`ny CENI mahakasika an`izay hetsika izay kanefa voamarina hatrany ny fahavononan`ny governemanta sy ny filoha mpisolo toerana fa hanatontosa hatramin`ny farany ny fifidianana ary tsy misy adihevitra fa ny 7 novambra ihany ny tetiandro voatondro. Hatreto, tsy afaka hivaona amin`ny lalàmpanorenana amin`ity resaka ity. Ny HCC no afaka milaza izay antony tsy azo hanoharana amin`ny fanemorana ny datim-pifidianana ankoatra ny fahafatesan`ny kandidà ihany raha tsy hoe hisy fivoarana lehibe ny dinika ataon`ny kandidà sasany amin`ny anio. Andrasana hatrany ny tohin`ny raharaha.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.