Hivory eny amin’ny CCI Ivato ireo kandida 26 mitaky ny fanemorana ny fifidianana anio alarobia 24 oktobra raha tsy misy ny fiovana.
Milaza ho tsy mahatoky intsony ny fikarakarana ny fifidianana izy ireo, ka mitaky ny fanokafana ny lisitra izay tsy maintsy mila 3 volana farafahakeliny raha hiditra amin’izany, izay mizotra mankany amin’ny fanemorana ny fifidianana mazava ho azy. Mitaky ny fananganana ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana, na ny CES noho ny tsy fahatokisana intsony ny HCC. Ahoana ny handrafetana an’io ? Hafiriana ? Mety hisy hilaza indray avy eo hoe : mitanila io dia mitovy ihany. Anisan’ny resaka mivoaka ihany koa ny fananganana governemanta, ary tokony hisokatra amin’ny kandida rehetra. Toa tonga any amin’ny resaka fananganana tetezamita ity resaka ity. Raha ny fanehoan-kevitry ny kandida Jean Ravelonarivo, tsikaritra ho manahy zavatra hafa izy. Hiditra amin’ny krizy vaovao indray raha izao zavatra izao no mitohy, hoy ity kandida ity. Raha tsy hatao ny fifidianana dia mety hisy tetika hafa mihitsy. Aleo handeha ny fifidianana ka izay lany eo dia lany fa atao madio, raha ny heviny. Andrasana moa izay hambaran’ireto kandida ireto, izay heverina ho mikasa fiaraha-mitantana sy te hanangana tetezamita aloha raha dinihina ny toe-draharaha. Misy ny kiana mandeha fa tsy mahatoky tena sy tsy manana herijika ho lany ny ankamaroany, ka any anaty fiaraha-mitantana anaty tetezamita no hananany vintana bebe kokoa hahazoana fahefana. Tsy azo tsinontsinoavina anefa ny lesoka ambaran’izy ireo ka tsy hoboriboriana fotsiny amin’ny hoe: matahotra fifidianana sy tsy mahatoky valera.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.