Politique

Kandidà 22 Mila mibaiko ny CENI ny HCC


  • Sabotsy 13 Oktobra 2018

Tonga nametraka ny taratasy fitakiana hanitsiana ny lisi-pifidianana teny amin`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ireo mpikambana sasany ao anatin`ny firiasankina ny kandidà omaly tao aorian`ny fanambarana nataon`izy ireo.

 

 

 

 

Maro ireo fahadisoana ao anatin`ny lisi-pifidianana ka anisan`izany ny anaran`ireo mpifidy maro izay tsy tafiditra ao anatin`izany. Takian`ireo kandidà 22 ny fanitsiana ireo fahadisoana ireo sy ny fampitomboana tsy araka ny tokony ho izy ny isan`ny biraom-pifidianana satria very zo tsy fidiny ny mpifidy sasany. Mila mibaiko ny CENI ny HCC amin`ny hanokafana ny lisi-pifidianana ary diovina ireo diso rehetra. Tsy nilaza ny fanapahan-kevitra horaisiny ireo solontenan`ireo kandidà 22 ireo fa kosa mahatoky ny fahendren`ny HCC amin`ny valin-teny omena. Hivoaka afaka fotoana fohy ny valin-tenin`ny HCC, hoy izy ireo. Ny alahady ho avy izao kosa dia hifampitaona eny amin`ny kianja monisipaly Alarobia ireo kandidà 22 ireo sy ireo mpomba azy ireo.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT