Politique

Kandida 22 mamondron-kery Tsy hanolotra kandida iray mandrakizay, hoy Jean Nirina R.


  • Alakamisy 11 Oktobra 2018

Niteraka resabe teto amintsika tato ho ato ilay famondronan-kery tanterahin’ireo kandida miisa 22 manoloana ny fiatrehana ny fifidianana ho filoham-pirenena.

 

 

 

Namaly omaly Rafanomezantsoa Jean Nirina talen’ny fampielezan-kevitry ny kandida Zafivao Jean Louis. Nambarany fa fitakiana ny fifidianana madio sy mangarahara no antony iraisan’ireo kandida 22 ireo  satria samy manana ny tetikasa fampandrosoany ny tsirairay avy. Tsy hisy mandrakizay ny fanolorana kandida tokana, indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana fihodinana voalohany izao  sady tsy misy matahotra fifidianana koa ny tsirairay. Etsy an-daniny, be loatra ireo karazana tebiteby mahazo ny kandida ka mahatonga ny sasany tsy hanao propagandy  hatreto. Fifaninanana mantsy no hatao fa tsy fifandrafiana ka tsy tokony hiverina intsony ny zava-nisy tamin’ny taona 2001 izay  nisiana Malagasy maro  namoy ny ainy. Betsaka ny zavatra mila ahitsy mialoha ny tena hirosoana amin’ny fifidianana. Anisany  ny  fisian’ireo olona feno 18 taona marobe very zo. Misy ihany koa ireo tsy nahasolo kara-panondro nefa tokony hifidy. Ao koa ireo tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana. Ny  voamieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana anefa no tompon-teny farany amin’izany ary eo am-piandrasana ny valin-tenin’izy ireo, ireo kandida 22 isa ankehitriny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT