Mitohy ny famondronan-kerin’ireo kandida tsy mankasitraka ny fikarakarana ny fifidianana. Milaza ho mahita lesoka hatrany mantsy izy ireo, toy ny resaka lisi-pifidianana izay efa nanomezany 24 ora ny CENI ny hanokafana azy.
Raha nanontaniana kosa ny teo anivon’ny CENI tamin’ny alalan’ny filoha lefitra Thierry Rakotonarivo mikasika ny lisi-pifidianana dia nisy fotoana 5 volana isan-taona nahafahana nanao ny fanamarinan’anarana tao anaty lisitra, ka 15 volana saingy tsy azo terena amin’ny basy ny vahoaka nanamarina. Mikasika ny fiovaovan’ny lisitra indray dia nisy ny fanadiovana taorian’ny fanaraha-maso sy fitsirihana nataon’ny OIF na ny Rafitra Iraisam-pirenena ho an’ny Frankofonia, izay nahita ireo anarana niverin-droa miisa 12.000 sy ireo tsy ampy taona 36 … Mampanantena fifidianana mangarahara ny CENI, saingy manana ny ahiahiany hatrany kosa ireo kandida sasany fa tsy mahatoky izany. Efa nilaza ampahibemaso, ohatra, ny kandida Fanirisoa Ernaivo ny 4 oktobra teo fa hitsangana hanohitra ny voka-pifidianana eo. Karazan’ny mihenjan-droa ny tady, saingy re amin’izao fa hampiantso ireo kandida mitsikera ny lisi-pifidianana ny CENI. Inona no hafitsok’ireto kandida ireto raha mbola tsy ho afa-po, ary mamondron-kery amin’izao andron’ny propagandy izao ? Hitarika vahoaka hidina an-dalambe ve atsy ho atsy ? Sa kosa hamondron-kery ka hanome toromarika ny mpanohana azy tsirairay hifidy kandida iray ? Tsy afaka ny hiala tsy ho kandida intsony rahateo izy ireo. Andrasana izay tena paikadin’ireto kandida ireto sy izay hafitsony.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.