Manoloana ny toe-draharaha politika mafanafana dia tsy azon’ny mpitondra fanjakana ambony atao ny mangina mba tsy hilazana hoe tapi-dalan-kaleha sy tsy manan-kalahatra intsony ny mpitondra.
Mila miseho fa mbola misy mpitondra ny tany sy ny firenena dia nidina tany an-drenivohitr’i Betsileo ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina nanao ny asan’ny minisitry ny fampianarana Ambony sy ny an’ny fampianarana ambaratonga fototra. Nitokana ny efitrano fianaran’ny sampana Fitsaboana teny Andrainjato sy nitokana ireo fanarenana ireo trano fianarana tonta nasiam-panavaozana rehetra ny Filoha ary nizara moto ho an’ireo sefo ZAP tao amin’ny DREN Matsiatra Ambony.
Mavaivay ny fitokonan’ny mpianatry ny oniversite saika eran’i Madagasikara afa-tsy i Fianarantsoa tany nipoiran’ny minisitry ny Fampianarana Ambony irery kanefa tsy manome fanazavana matotra amin’ny vahaolana hatolony ny Filoha manoloana ny fitakian’ny mpampianatry ny SECES izay mihizingizina amin’ny heviny sy tsy mety mampianatra. Efa mitady vahaolana, hono, ny minisiteran’ny Fampianarana Ambony. Dia amin’ny vola avy aiza ? Ny volany tsy azo anie no mampitokona ny mpamianatra mpikaroka io ka mahatonga ny mianatra tsy hianatra e.
Aiza ‘ze vola e !
Ny mpamatsy vola nantenaina ity kivy avokoa mahita ny firongatry ny kolikoly sy ny tsy fandriampahalemana. Vao herinandro izay no nisy namono indray ny konsily ny Italia teo aloha tany Antsiranana. Ny “kidnapping” etsy ankilany tsy misy farany. Rera–maina fotsiny ny praiminisitra mitotototo any Frantsa hitady mpampiasa vola ho aty Madagasikara kanefa ny eto aza mety handositra noho ity resaka “kidnapping” izay mahavoarohirohy mpitandro ny filaminana ity. Izany rehetra izany sy ireo fihetsika mamoafady ataon’ny beboty dia mampiharihary fa tsy foafehin’ny Fanjakana intsony ny mpitandro ny filaminana fa manao izay fanaparam-pahefana tiany. Mahita sy mahalala izany ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena ka izany no mahatonga azy ireo manao be marenina tsy manome vola io. Etsy an-daniny tsy mety teraka toa Ambatobevohoka ihany koa ny tapany faharoa amin’ny fanampian’ny Vondrona Eoropeanina. Dia aiza no hahita vola ? Na ny fandoavana karama aza ve tsy efa hampanahy ?
Kabary ambony vavahady
Ny tontolo politika indray, andrasana izay mety ho vokatry ny sonian’ny Solombavambahoaka maro an’isa eny amin’ny Antenimieram-pirenena kanefa tsy fantatra hoe rahoviana no ho feno ny fetr’isa. Ny Filohan’ny Nosy hajaina tany Fianarantsoa milaza indray etsy ankilany fa fahatongavan-tsain’ny Solombavambahoaka no andrasana fa izy hono tsy mividy depiote izany. Hadinon’ny Filoha ary ve fa tsy nisy Solombavambahoaka lany tamin’ny anaran’ny HVM izany ao Tsimbazaza ? Ka iza no hanara-dia izao politika mikatso izao? Te hiseho vahoaka ny Filoha Hery Rajaonarimampianina kanefa tsy mananko-lazaina hanalana ny fahasairanam-bahoaka intsony hany ka lasa manao kabary ambony vavahady toy ny tany Fianarantsoa mba handamindaminana ny disadisa nateraky ny Fifidianana ben’ny tanàna sisa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.