Nandaha-teny teo anoloan’ny Firenena Mikambana ny filoha Malagasy Hery Rajaonarimampianina omaly.
Namintina ny ezaka ataon’ny fitondrana tarihiny hampanjakana ny demokrasia sy hisian’ny fitoniana politika eto Madagasikara izy, nandritra ny fahefatr’adiny nandraisany fitenenana. Eo koa ny fiarovana ny tontolo iainana, ny ady iraisana amin’ny jiolahy an-dranomasina aty amin’ny ranomasimbe indianina, ny tontolon’ny fampianarana, ny fiahiana ara-tsosialy, ny fahasalamana ary ny ara-tsakafo.
Mody fanina
Nandrasana ihany raha hanisy resaka mikasika ny amin’ireo nosy madinika aty amin’ny fari-dranomasina Malagasy toy ny “iles éparses” izy saingy nangina. Noesorina tsy ho isan’ny lahadinika tamin’ity fivoriambe faha-70 ny Firenena Mikambana ity rahateo koa moa ny firesahana an’ireo nosy kely ireo, na dia voalahatra hatrany am-piandohana aza, ary isan’ny nandany ny hanemorana azy ho amin’ny fotoam-pivoriana manaraka ny Malagasy tamin’ny 17 septambra 2015, ka mety zaran’ny mpitondra amin’izao aza tonga amin’izany sao angamba hanahirana amin’ny Frantsay, izay mbola iladiladizana hanome vola aloha, na koa tahotra sao hisy fiantraikany amin’ny fampiantranoan’i Madagasikara ny fivoriamben’ny Frankôfônia amin’ny 2016 raha mamohafoha ny momba an’ireo nosy madinika ireo Atoa Hery Rajaonarimampianina. Ry zareo Kaomôriana anefa nanararaotra ny anjara fitenenany nitakiana ny hamerenana amin’i Kaomôro ny nosy Mayotte, izay lasa miankina amin’ny Frantsay moa ankehitriny. Tatsy amin’ny Nosy La Réunion tsiahivina ihany, ny andro voalohan’ny nanokafana ofisialy ny Lalaon’ny nosy andiany faha-9 tamin’ny fiandohan’ny volana aogositra, dia nangoron’entana namonjy fodiana avy hatrany ny atleta Kaomôriana raha nahita ny delegasiona avy any Mayotte nilahatra sady nilanja sainam-pirenena Frantsay.
Jean D.
RAGASY : Izany ny olona fa mijoro amin’ny azy, fa ny antsika ve izany dia atakalo an’ity oui m’se lava ity e
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.