Manoloana ny zava-misy ankehitriny dia naneho ny heviny Atoa Julien Radanoara, mpampianatra lalŕna ary nanambara ny tenany fa raha misy ny fionganan’ny Filohan’ny Repobilika dia ny miaramila no handray an’io fahefana io ka hanome azy faran’izay haingana amina mpanao politika tsotra hikarakara fifidianana.
TT : Inona no vahaolana hitanao hivoahana amin’izao disadisa politika izao ?
JR : Lalana tokana ihany no azon’ny Filoham-pirenena izorana mba hialana amin’izao disadisa politika izao dia ny fandravana ny Antenimieram-pirenena faran’izay haingana dia ovana malaky ihany koa ny lalàmpanorenana.
TT : Fa angaha afaka mandrava ny Antenimieram-pirenena amin’izao fotoana izao izy ?
JR : Azony atao ary tsy misy lalàna mandrara azy tsy hanao izany raha tiany. Kapotandroka fotsiny ny an’ny olona milaza fa tsy azony atao izao izany. Fa tsy maintsy manova lalàmpanorenana avy eo.
TT : Fa inona no tsy mety amin’io lalàmpanorenana io e ?
JR : Tsy mbola mety amintsika ny demokrasia. Rafi-pitondrana entin’ny Filoham-pirenena amin’ny fomba matanjaka no mety izao mba hamerenana ny fanarahan-dalàna sy hiadiana amin’ny gaboraraka.
TT : Ary raha tsy mandrava ny Antenimieram-pirenena ny Filoha ?
JR : Raha tsy mandrava ny Antenimieram-pirenena ny Filoha dia miankina amin’izay fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC, ny tohiny kanefa ny tenako manokana dia mieritreritra fa tsy hanala ny Filoha amin’ny toerany izany ny HCC
TT : Ara-dalàna ve anefa ny fahitanao ny zavatra nataon’ny Solombavambahoaka ?
JR : Zon’ny Solombavambahoaka tanteraka ireny ary ny tena mahasarotra ny toeran’ny Filoha anie aloha dia aoka hotsorina fa betsaka tokoa ny zavatra nampanantenainy ny vahoaka sy ireo mpamatsy vola antsika no tsy tanteraka ka mahakivy ireo firenena vahiny mpiara-miasa amin’i Madagasikara e !
TT : Inona ohatra ?
JR : Io ady amin’ny kolikoly io tena tsy ampy mihitsy ny ezaka. Ahoana moa no ilazana fa nisy sambo iray nitondra boaderozy niala teto Madagasikara dia tsy hita tampoka teo na dia narahina tamin’ny angidimby aza. Ireny olona nambaran’ny praiminisitra Jean Beriziky Omer ireny raha mba nisy nosamborina ka notsaraina dia mba niteraka fahatokisan’ny mpamatsy vola amin’ny fisian’ny finiavana hiady amin’ny kolikoly. Ny ady amin’ny fahantrana dia voafaritry ny fifanarahan’i Cotonou izay nanaovantsika rangopohy kanefa tsy hita mazava izay ezaka. Ilay resaka tsy fandriampahalemana ihany koa dia mahasarotiny ny mpamatsy vola no sady tena mampijaly ny Malagasy kanefa tsy voafehy hatramin’izao. Tsy hitako izay dahalo niova fo fa ny nivadi-po no betsaka. Tsy hampiasa vola amin’ny tany tsy milamina izany ny vahiny.
TT : Ary raha eken’ny HCC ny fanonganana ny Filoham-pirenena ?
JR : Raha eken’ny HCC ny fanonganana ny Filoha dia ny miaramila no mandray ny fahefana ary ireo indray manendry olona mpanao politika hitondra ny fanjakana Tetezamita any amin’ny fifidianana.
TT : Araka ny lalàna ve izany ?
JR : Rehefa amin’ny vanim-potoana mafana ara-politika toy izao dia vahaolana politika no tadiavina fa tsy resaka lalàna intsony. Lasa manao “Juridisme” na fifandirana tsy misy farany amin’ny fahaizan-dalàna eto isika raha mbola hiresaka lalàna fa vahaolana politika tadiavina ka izay no mahatonga ahy hiteny hoe ny miaramila no mandray ny fahefana rehefa tsy eo ny Filoha dia ireo indray no mamindra izany amin’izay rafitra ahitana marimaritra iraisana ara-politika.
Nangonin’i Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.