Politique

José Vianey Nisintaka tsy ho kandidà ihany koa


  • Alarobia 22 Aogositra 2018

Nanampy isa an`ireo kandidà tsy hiatrika safidim-bahoaka ihany koa i José Vianey.

 Efa tamin`ny sabotsy 17 martsa lasa teo no nanambara tamin`ny fomba ofisialy fa ho anisan`ny kandidà ho filoham-pirenena i VIJO. Nilaza anefa izy omaly fa hisintona ny fanapahan-kevitra noraisiny. Manahy ity filoha nasionalin`ny antoko RAM (Rassemblement pour l`Avenir de Madagascar) ity amin`ny fisian`ny korontana amin`ny fifidianana. Ireny hetsika tamin`ny 21 aprily lasa teo ireny no nanova ny fijerin`ny antoko politika misy eto ankehitriny. Raha ny neritreretin`i VIJO dia tokony ho nisy ny fifampiresahana amin`ny samy mpanao politika amin`ny vahoaka Malagasy, amin`ny mpitondra mba hidiran`ny fifampitovian-kevitra sy ny fandinihana ny lalàmpanorenana. Tsy azo ihodivirana ny fanorenana ifotony, hoy izy. Mampahery sy mirary soa amin`ireo kandidà izay sahy nirotsaka sy nanana fahavononana hirotsaka amin`izao fifidianana izao kosa ny tenany ary notsindriany manokana fa tsy mieritreritra ny hanohana kandidà ny antoko RAM satria mbola teny ifampierana amin`ny namana io. Manao antso avo amin`ny  komity mpanohana ny antoko RAM manerana ny 119 distrika mba ho sahy hijoro sy tsy ho kivy fa tsy maintsy ho tonga ny fotoana tsy azo ihodivirana amin`ny fanorenana an`i Madagasikara. Marihina fa mifototra tamin`ny fampihavanam-pirenena, ny famelan-keloka, ny firaisankina sy firaisan-tsaina amin`ny fananganana firenena ny foto-kevitry ny antoko.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT