Kandidà faha-20 nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiny, omaly tetsy amin`ny HCC Ambohidahy i José Michel Andrianoelison na « José kely ».
Sahirana ny isam-baravarana, ny firenena ihany koa tsy maintsy harenina, hoy izy. Nambarany fa ny satan`ny Malagasy dia Malagasy sambatra ka mila mpitondra mihaino sy miaro ary fehezin`ny vahoaka. Ny rehetra dia samy manana ny traikefany sy tanjany ary fahaizany ka ireo no havory hanaovana fanarenana ifotony. Mila jerena avy hatrany ny fanatsarana ny isam-baravarana ary ny fomba hanorenana demokrasia Malagasy izay tsy mety mafy orina eto amintsika. Miara-dia sy manohana azy amin`izao filatsahany izao ny filoha nasionalin`ny antoko Aro Riaka, Odon-Gregoire Rakotonirina. Manoloana ny fikarakarana fifidianana dia notsindrian”ity farany fa tsy lavorary ny fanomanana ny fifidianana ary maro ny zavatra tokony halamina saingy kosa tsy maintsy miroso. Tarehy tsy zoviana eo amin’ny sehatra politika ity kandidà ity satria efa minisitra tamin’ny andron’ny Repoblika faharoa izy ary teknisianina avo lenta momba ny fotodrafitrasa eny ambanivohitra. Ankehitriny, mitsinjo ny avoavo kokoa ny tenany eo amin’ny sehatra politika. Ny toeran’ny filohan’ny repoblika no katsahiny mafy amin’izao hahafahany manatanteraka ny vina ho an’i Madagasikara nomasahany miaraka amin’ny antoko « Aro riaka ».
|
Izy no zandriny indrindra tamin’ireo minisitra notendren’ny Amiraly Ratsiraka ho mpikambana tao amin’ny governemanta ary izy no ihany koa minisitra sahy nametra-pialana rehefa tsy nitovy fijery aminy. Mpandinika fiarahamonina ihany koa izy. Anisan`ny mpitarika fihetseham-bahoaka tamin`ny taona 1993-1996 izay tsy nanaiky ny fitantanana nataon`ny filoha teo aloha Zafy Albert ary nitarika ny fialan`ity filoham-pirenena ity ny tolona nataony ny taona 1996 izay nitondra ny anarana hoe SFFF (Sehatry ny Fanabeazana sy ny Fampitaizana ary Fifampifehezana). Taty ao aoriana dia niditra ho mpikambana tao amin’ny Kabinetran’ny praiminisitra Ravelonarivo ny lehilahy ka mpanolotsaina manokana maharitra no toerana notazominy tao talohan’ny nanendrana azy ho tale kabinetra lefitra. |
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.