Omaly tolakandro no nandao an’i Madagasikara i Joaquim Chissano sy ny delegasionin’ny SADC niaraka taminy. Mbola nihaona tamin’ny filohan’ny vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana (CENI) Hery Rakotomanana izy omaly maraina, avy eo nidinika tamin’ny minisitry ny fiarovam-pirenena Xavier Beni Rasolofonirina, ary mbola niverina niresaka tamin’ny filohan’ny CENI indray raha ny angom-baovao natao.
Tsy nisy ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny SADC nandritra izao diany naharitra herinandro teto Madagasikara izao na dia voatondro ho saika notanterahana ny sabotsy 12 mey teo aza izany. Nihaona tamin’ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina sy ireo filoha telo mirahalahy teo aloha Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana ary Andry Rajoelina i Joaquim Chissano sady efa nifampiresaka tamin’ireo ankolafin-kery politika maro samihafa ireto iraky ny SADC ireto.Fantatra fa mbola hanao tatitra any amin’ireo lehibeny naniraka azy ingahy Chisssano, ka aorian’izay vao mety hamoaka fehin-kevitra momba ny fahitany ny toe-draharaha eto Madagasikara ity vondrom-paritra ity. Hafa fa tsy tahaka ny tamin’ny 2009 ny toe-draharaha eto Madagasikara amin’izao fotoana, ka hita ho sahirana amin’ny fanelanelanana na ny famoahana tondrozotra hafa indray kasainy atao ny sehatra iraisam-pirenena; ny depiote ho an’ny fanovana rahateo efa mazava fa tsy manaiky ary tsy hanaiky holembenana fa dia izay hevitry ny vahoaka sy ny mahasoa an’i Madagasikara ihany no eken’izy ireo any anay fifampiraharahana fa tsy ny teny midina avy amin’ny fianakaviambe iraisamm-pirenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.