Politique

Jeune TIM « Efa niomana hatramin’ny 2009 izahay. »


  • Zoma 24 Aogositra 2018

Nilaza ny fahavitrihan’izy ireo ho avy etsy Mahamasina rahampitso sabotsy hanotrona ny fihaonan’ny kandida Ravalomanana amin’ny vahoakan’Antananarivo ihany koa ry

zareo avy eo anivon’ny tanoran’ny antoko Tiako i Madagasikara na ny Jeune TIM omaly. Tsy maintsy hahampatsiahy izahay, hoy izy ireo, fa tsy nisy nahavita toy ny nataon’i Marc Ravalomanana. Nahavita be ho an’ny tanora izy. Be ireo foto-drafitrasa nitsangana teny amin’ny oniversite. Vitsy ireo tanora tsy an’asa sy nivarotra amoron-dalana tamin’ny fotoan’androny, hoy izy ireo, fa saika samy nanana asa daholo ny ankamaroan’ny tanora. Efa niomana hatramin’ny 2009 izahay hahatongavan’izao, hoy ireto tanora ireto, ka manentana ny tanora rehetra ho avy na inona firehan-keviny. Aza mijery olona fa ny ho avy banjinina, hoy ny namaranan’ny Jeune TIM ny teniny.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT