Teny Ambodihady Ambohimanarina omaly alakamisy 25 okotobra no nanao « meeting » ny mpanohana ny kandida n° 25 Marc Ravalomanana notarihan’ny JEUNE TIM Boriborintany faha-6 notronin’ny depiote TIM voafidy teny
amin’ity Boriborintany ity, Rasoanoromalala Marie Horace, ny delegen’ny Boriborintany faha-6, Andrianjafimahatratra Solofo izay zanak’Ambodihady rahateo, ny mpanolotsaina Jeune TIM Analamanga, Rabezanahary Lalaina, ny mpandrindra Tanora KMMR, Jocelyn, ny SG Distim, Tahina. Noporofoin’ireto JEUNE TIM Boriborintany faha-6 tamin’ity fihaonana ity fa matanjaka ara-potokevitra izy ireo amin’ny fanohanana ny kandida n° 25 ary vonona handresy lahatra an’ireo namany hafa mbola variana amin’ny zavatra hafa.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.