Politique

Jeopolitika frantsay Mametraka ny olony amin`ireo firenena zanatany fahiny


  • Talata 22 Janoary 2019

Taorian`ny fianianan`ny filoham-pirenena vaovao ny sabotsy lasa teo, dia nitafa fohy tamin`ny mpanao gazety ny iraky ny filoham-pirenena frantsay, Jean Baptiste Lemoyne, izay nilaza fa hampitombo ny tetibola ampiasain`ny firenena Malagasy amin`ny lafiny fampandrosoana.

 

 

  Midika izany fa manamafy ny fiaraha-miasa eo amin`ny roa tonta. Inona no tena tanjona ? Hiaraha-mahita fa i Frantsa dia manana fahefana amin`ny kaontinanta afrikanina. Raha very ny tombontsoany, indrindra ka mpitondra tsy mahafa-po azy dia miditra amin`ny fanonganam-panjakana izy. Manao tsolotra ihany koa an`ireo tompon’andraikitra ambony amin`ny fanomezana alalana mipetraka sy mifindra monina any Frantsa na koa amin`ny fandraviraviana vola be. Raha toa ka sarotra no manambitamby ny filoha am-perinasa dia manao izay handotoana azy amin`ny fomba rehetra ny Frantsay ka mora ny mametraka paikady hahafahana manongana azy eo amin`ny fitondrana. Fa nialoha ny fanonganam-panjakana dia mamelona ny adim-poko eo anivon`ny firenena, izay fomba fiady ampiasain`ny frantsay hatramin`izay. Ohatra, tany Cote d`Ivoire, nanohitra ny « Frantsa Afrika » i Laurent Gbagbo, Filoham-pirenena teo aloha, niezaka nametraka ny tombontsoa ambony ho an`ny firenena. Nisy anefa ny adim-poko teo amin`io firenena io ary niongana ny filoha ka tsaraina eo anivon`ny fitsarana iraisam-pirenena (CPI) any Lahaye. Efa saika tsy tafaverina an-tanindrazana kanefa mbola filoham-pirenena am-perinasa tamin`izany. Tsiahivina fa efa tamin`ny andron`i Jacques Chirac, filoham-pirenena frantsay teo aloha no nisy ny fanoherana ny « Frantsa Afrika ». Tamin`ny androny dia mbola ny “Quai d`Orsay » no nanana fahefana tamin`ny « Frantsa Afrika » fa ny taona 2000 no lasa CAC 40 izany. Ny CAC 40 dia ny fitambaran`ireo orinasa frantsay 40 mantanjaka indrindra izay migoka ny harem-pirenen`ireo firenena zanatany frantsay. Anisan`ireo orinasa ireo ny Lafarge, Bolloré, Boygues Telecom, Total… Manana sampana ifandraisana amina orinasa maro eto amintsika ny CAC 40. Ny “Quai d`Orsay » kosa dia miafina amin`ny fifandraisana ara-diplomatika.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT