Nosarahina fotsiny ! Niakatra ny feo teo an-tokotanin’ny Motel Anosy omaly antoandro, nanaitra ny olona sendra tao ary nampitangorona mihitsy. Ny praiminisitry ny tetezamita Jeneraly Camille Vital sy ny lietnŕ Kolonely Charles Andrianasoavina no nifamaly
. Nisakafo no nahatongavan’ny jeneraly Vital tao, niatrika fivorian’ny komity mpanara-maso ny fampiharana ny fehin-kevitry ny mpizaika tamin’ny fihaonambe nasionaly momba ny fampihavanam-pirenena notarihin’ny FFKM teny Ivato ny 28 aprily ka hatramin’ny 2 mey kosa no naha teny an-toerana an’ny kolonely Charles. Avy amin’itsy voalohany ny fihantsiana ka nampitroatra an’ny kolonely Charles raha ny re teny an-toerana ary nohamafisin’ireo olona akaiky azy. Tranga tsy vaovao, fa efa niseho tany La Réunion tamin’ny fotoana mbola naha tany an-toerana an’ny kolonely Charles nitsabo tena, namoahan’ity farany ny alahelony tamin’i Camille Vital fa tsy tonga praiminisitra ity farany tamin’ny desambra 2009 raha tsy izy, nefa sahy nanagadra azy ary saika namoizany ny ainy tany am-ponja tamin’ny 2011. Mbola niverina io omaly rehefa nifanena ny roa tonta. Ampamoaka ampahibemaso no nataon’ny kolonely Charles, notohanana fotsiny. Nitsaitsaika namonjy ny fiarany niala teny an-toerana no hany herin’ny jeneraly Camille Vital.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.