Eo amin’ny fanendrena praiminisitra no tena ifantohan’ny adihevitra sy ny fifandresen-dahatra tato anatin’ny herinandro latsaka kely izao.
Efa mazava ny an’ny depiote ho an’ny fanovana fa dia mitovy hevitra ny TIM sy MAPAR amin’izay praiminisitra ho avy eo. Maro moa ireo anarana re tetsy sy teroa, saingy ny faran’ny herinandro teo kosa dia nisy karazana anarana hafa nivoaka indray ka anisan’ny mbola tafaverina tao anatin’io ny solombavambahoakan’Ambositra Hary Andrianarivo, i Joseph Randriamampionona na i Dadafara izay mpanorina ny Discount Store Saturne sy efa kandida filoham-pirenena, ary anarana fahatelo farany nivoaka ny an’ny jeneraly Rasolosoa Dolin.Ity manamboninahitra jeneraly ity no re fa tsara toerana indrindra hitazona ny toeran’ny praiminisitra. Na tsy hita firy teo amin’ny sehatry ny politika intsony aza izy dia anisan’ireo olona niara-dia tamin’i Andry Rajoelina teo anivon’ny fitantanana ny kaominin’Antananarivo Renivohitra sy nandritra ny fitondrana tetezamita satria izy no filohan’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST). Efa lehiben’ny etamazaoro jeneralin’ny tafika Malagasy (CEMGAM) ihany koa izy ny taona 1994 ka hatramin’ny 1997. Tsara homarihina fa samy zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa izy telo mirahalahy ireo ary anisan’ireo olona tsy dia re feo firy nandritra izao fitondrana HVM izao na dia fantatra aza fa nanaraka akaiky hatrany ny fizotry ny raharaham-pirenena.
Re ihany koa halina fa anisan’ny tafiditra ao anatin’ny lisitr’ireo natolotra ho tendrena praiminisitra Atoa Tantely Andrianarivo, koa dia ho hita tsy ho ela ny ho fivoaran’ny toe-draharaha.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.