Politique

Jeneraly Rabotoarison « Misy tsy faly amin’ny fahavitan’ny fampihavanana »


  • Zoma 17 Aprily 2015

Naneho ny heviny mikasika ny fampihavanam-pirenena tarihin’ny Ffkm ny filohan’ny Ffm, ny Jeneraly Rabotoarison Charles Sylvain.

 

 Mila famatsiam-bola  ny fikarakarana ny fampihavanana ka izany angamba no nahatonga ny Ffkm nametraka ilay saram-pandraisana anjara roa hetsy ariary, hoy ny filohan’ny Ffm. Ilaintsika ny fanatontosana  io fampihavanana io, hoy ny Jeneraly Rabotoarison mba  ahafahana mamerina ny toekarena  marin-toeran’i Madagasikara. Tsy mahafaly ny  firenena vahiny sasany ny ahavitantsika an’io, hoy hatrany ny Jeneraly Rabotoarison ka tokony haneho firaisan-kina isika. Tsy tokony horaisina amin’ny lafiny ratsy noho izany, hoy ny filohan’ny Ffm ny fampandoavana ilay roa hetsy ariary fa ny ahavitana  ny fampihavanam-pirenena  no zava-dehibe, hoy izy namarana ny teniny.


Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT