Ady maizina ! 48 ora taorian’ny fametraham-pialan’ny praiminisitra Kolo Roger sy ny governemanta tarihiny dia voatendry ny praiminisitra. Manamboninahitra jeneraly avy amin’ny tafika ana habakabaka no safidin’ny filohan’ny Repoblika tamin’ireo tolotr’anarana
niisa 13 nataon’ny vovonan’ny maro an’isa miaraka amin’ny filoham-pirenena, tonga teo am-pelatanany, dia ny Général de brigade aérienne Ravelonarivo Jean. Ny alarobia 14 janoary, efa hisasak’alina no novakian’ny Sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Repoblika, jeneraly Ralala Roger teny Iavoloha ny didim-panjakana 2015-021 fanendrena ny praiminisitra, izay nambara fa nanaraka ny andininy faha-54 ao amin’ny lalàmpanorenana. Eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana dia Tale jeneralin’ny orinasam-panjakana SEIMAD tamin’ny fitondran’ny amiraly Didier Ratsiraka ity praiminisitra vaovao ity. Mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fampidiran-drano, fotodrafitrasa sy taotrano izy ary manana orinasa amin’izany “Entreprise JJ”. Eo amin’ny lafiny sosialy indray dia efa governoran’ny Rotary Club, District D 9220 Ravelonarivo Jean. Mpikambana ao amin’ny filohan’ny Repoblika izy ankehitriny. Mpianatra tao amin’ny INSCAE ny tenany. Ramatoa vadiny moa dia namana akaikin-dRtoa Voahangy Rajaonarimampianina, vadin’ny filoham-pirenena. Tombanana ho nisy dian-tanan’ity farany aza ny fanendrena azy. Anisan’ireo manamboninahitra kolonely vao nakarina ho eo amin’ny laharana jeneraly farany teo Ravelonarivo Jean ary izy izany izao no jeneraly fahatelo notendrena ao Mahazoarivo, taorian’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009. Inona no fiantraikan’ity fanendrena praiminisitra tampotampoka andro alina ity amin’ny diniky ny filoha dimy eny amin’ny CCI Ivato ? Sa hohararaotin’i Hery Rajaonarimampianina hisehoana amin’ny iraisam-pirenena fotsiny fa mandroso ny fampihavanam-pirenena fa amboletra ihany no ataony ? Halina ihany dia efa nandeha ny fanehoan-kevitra fa dia famakiana ady no nataon’i Hery Rajaonarimampianina. Ny fanendrena jeneraly ho lehiben’ny governemanta mantsy dia toa manome endrika fa tany miady, anaty krizy i Madagasikara. Miandry azy ny fampandriana fahalemana ny tany, ny fandaminana ny ady tany etsy sy eroa, indrindra amin’ny Karana, ny ady amin’ny piraty an-dranomasina, ny fanondranana harem-pirenena toy ny boaderozy, volamena, biby, ny fanokafana ny haino aman-jery nakaton’ny tetezamita … Hisahana fampandehanan-draharaha ireo minisitra tao amin’ny governemanta Kolo Roger mandra-pijoron’ny governemanta vaovao. Re moa fa tsy mbola ofisialy akory ny fanendrena ny praiminisitra, dia efa nanomboka ny fifantenana ireo minisitra handrafitra ny governemantany ity jeneraly ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.