Nivoaka tamin’ny fahanginany ny minisitry ny foloalindahy tamin’ny andron’ny tetezamita ny Jeneraly Rakotonandrasana Noel manoloana izao toe-draharaham-pirenena izao. Eo anatrehan’ny fanaovana fampielezan-kevitra amin’izao dia misy zavatra toa sarotra tanterahina.
Na ny olon-dRajoelina na izy mivantana dia maminany fa zavatra raisina amin’ny toerana iray dia bataina afindra amin’ny toerana iray, hoy izy eo anatrehan’ny fampanantenana sy fampanofinofisana. Ny teo aza zavatra kely no notantanana sahirana izy. Ny kianjan’ny demokrasia notenenina tao Ambohijatovo, kanefa rehefa tonga teo izy nidiany. “Ny zavatra tahaka izany ve dia mitombina ?”, hoy izy. Remenabila no henjehina kanefa tsy misy fa ny tetika dia ny fanalana ny mponina amin’ny toerana misy azy, dia avy eo trandrahana ny harena ao amin’io toerana io. Mila tonga saina isika, hoy ity tompon’andraikitra teo aloha ity. Anisan’ny lasibatra tamin’ny fitondran’i Andry Rajoelina ny tenako, ary telo taona latsaka tany am-ponja, hoy izy. Raha nanontaniana ny ampamoaka nataon’ny Kolonely Charles Andrianasoavina, efa noresahina io tany am-ponja fa tena zavatra nisy, ary izy no niresaka an’izany. Izy no tena afaka manazava ny zavatra tena misy fa izaho tsy afaka ny handiso na hanamarina. Nilaza taminy kosa ny kolonely Charles fa tena nisy ireny zavatra ireny, izay tsy inona fa ny fikotrehana ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Noresahin-dreo hoe mandainga sy efa mivaha ny Kolonely Charles. Ny fahitako azy aloha, tsy lasa adala izy, hoy ny jeneraly Rakotonandrasana Noel. Tsy manana olana amin’i Marc Ravalomanana, Rajaonarimampianina, Rajoelina aho fa ny zavatra azoko lazaina, dia mivantana sy mahitsy aho, ka raha ohatra ka tsy mankany amin’ny lalana tokony haleha, indrindra mandainga sy mamahan-dalitra dia tsy tantiko izany, hoy izy. Misy manao izany amin’izao fotoana izao. Mila fahatongavan-tsaina fa tsy ho jamban’ny fampisehoana sy ny vola. Ny fahitako ny sasany dia miady mafy ny hahatongavany eo amin’io toerana io hahafahany manatevina ny kitapom-bolany, ny kitapom-bolamenany,… any amin’ny toerana misy azy any ivelany any. Ny tranobeny maro any ivelany. Raha ohatra milaza fa manana fitiavana amin’ity tanindrazana ity ireo be resaka amin’izany amin’ny hoe fitiavana maninona no tsy ahorina eto io mba hisian’ny asa ? Maninona no tsy entina mankaty ny vola fa tehirizina any ivelany ? Tsy manantena fa hanao an’izay izy fa rehefa tonga eo dia ny hamerina ny vola rehetra lany tamin’ny fampielezan-kevitra no tsy maintsy hifantoka ao an-tsainy, hoy ity tompon’andraikitra ambony teo aloha ity. Misy rindrandamina tokony hapetraka aloha eto hahafahana mankany amin’ny lalana tokony haleha, hoy izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.