Tsy tanjona ny fampiasan-kery fa azo atao amin’ny fampiharana ny lalŕna, hoy ny jeneraly Herilanto Raveloharison omaly raha nilaza ny heviny momba ny raharaha Lanto Rakotomanga izy
. Voarain’ny mpitandro filaminana ny vaovao fa misy mikonokonona fanakorontanana eto koa tsy maintsy mandray andraikitra izy ireo ka tafiditra ao anatin’izany ny fisavana ireo fiara mivezivezy, “fouille de securité” no natao tamin’ny fiaran’I Lanto Rakotomanga hoy izy fa tsy “perquisition” satria ny trano no hanaovana ity farany fa tsy ny fiara. Tena azo atao tsara ny “fouille de securité” na amina fiarana minisitra na depiote, hoy ny fanazavany rehefa misy ny zavatra mampiahiahy. Raha misy vaovao azo dia zon’ny mpitandro filaminana no manamarina izany ka misava na misambotra na maka am-bavany manadihady izy ireo hoy ny Jeneraly Herilanto Raveloharison.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.