Politique

Jeneraly Florens Hangoron’entana ?


  • Zoma 04 Septambra 2015

Naboridan’ny lehibeny ny jeneraly Rakotomahanina Florens. Nihaona tamin’ny mpanao gazety omaly tetsy amin’ny Tobin’ny zandarimariam-pirenena «Jeneraly Ratsimandrava» etsy Andrefan’Ambohijanahary ireo lehiben’ny zandarimariam-pirenena.

 

 Tsy nisy fiolakokahana intsony fa tonga dia nahitsy ny tenin’ny Jeneraly Rakoto François Rodin, komandin’ny zandarimariam-pirenena niaiky fa tsy nety ny nataon’ireo zandarin’ny Emmo izay nanao ny fisamborana niharo habibiana natao tamin’i Jean Pierre teny Ankatso tamin’ny alatsinainy 31 aogositra 2015 lasa teo. Tsy maintsy hanokatra fanadihadiana mikasika azy iny ny zandarimariam-pirenena, araka ny fanazavan’ny Fanevan’ny zandary ihany.

Tetsy an-kilany koa dia nanamafy ny jeneraly Herilanto Raveloharison, izay mitana vonjimaika ny andraikitry ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena fa tsy nanome baiko ny mpitandro ny filaminana hanao ireny fihetsika mifangaro habibiana ireny mihitsy ny fitondram-panjakana. Nanambara ihany koa ny tenany fa horaisin’ny zandarimariam-pirenena an-tanana avokoa ny fandaniana amin’ny fitsaboana an’i Jean Pierre Randrianamboarina.

Hangoron’entana

Soa ihany fa mbola misy ny tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena izay olon-kendry namerin-doha haingana izay diso fa tsy hiandry kapoka am-parahatoka avy amin’ny Amerikanina lava izao vao mba hisaina kanefa dia olona nianatra ihany.

Ny dikan’izany fa dia efa tokony hangorona ny entany ny jeneraly Florens Rakotomahanina dia afindra toeran-kafa indray. Nanafintohina olona maro iny fihetsiky ny miaramilan’ny jeneraly Florens teny Ankatso iny, eny na dia ireo tsy mankasitraka ny fisian’ny fitokonan’ny mpianatra aza. Fa ny tena vao mainka naharatsy endrika an-dry beboty dia ilay tenin’ny jeneraly Florens izay mbola manamarina iny fihetsika namoafady iny ihany. Ity jeneraly ity rahateo tsy vao izao no nalaza amin’ny «fahaizany miresaka» fa efa hatramin’ny nisamborana an’i Alain Ramaroson teny Vassacos sy ilay teny amin’ny HCC nilazany fa tsy anjaran’ny depiote no manery azy hiala amin’ny toerany fa manamboninahitra jeneraly ny tenany.

Mitodika any amin’ny jeneraly Rakoto François Rodin ankehitriny ny mason’ny mpanara-baovao rehetra. Hatraiza no tena handraisany fanapahan-kevitra mba tsy hiverenan’ny toe-javatra mamoafady toy ireny intsony ?

Andry Ratovo


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT