Nivoaka tamin’ny fahanginany ary naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena, herintaona latsaka kely taorian’ny nahamaizan’ny tranony ny jeneraly Andrianafidisoa na ny jeneraly Fidy. Raha ny filazany tao amina onjampeo tsy miankina iray omaly antoandro dia mampiahiahy ny antony nahamay ny trano fonenany tetsy Antsakaviro.
Tsy mbola nisy izany hoe afo midina izany. Mahatalanjona ihany koa ny nampidedaka haingana dia haingana ny afo taorian’ilay fipoahana. Na basy mitifitra afo (lance flamme) na cocktail Molotov no mahavita izany, hoy izy.
Vola sy tombontsoa
Nahitsy fitenenana ny jeneraly Fidy raha niresaka momba ny raharaham-pirenena. Tsy hisy fitoniana izany mihitsy eto, satria tsy manana fototra politika ny fitondrana misy ary volabe amin’ny malety no nahazoan’ny filoham-pirenena ny fanohanan’ny depiote eny Tsimbazaza. Tsy hahavita hametraka ny fitoniana sy filaminana eto ny resaka « pacte de responsbilité », raha ny heviny fa tsy maintsy hisy hitarika olana hafa indray iny. Tsy milamina ihany koa ny foloalindahy satria tambazan’ireo manampahefana sy mpanao politika volabe sy tombontsoa ny miaramila dia lasa miaro firehana iray na manohana olona tsotra izao. Ho an’ity manamboninahitra misotro ronono ity dia fanakorontanana saim-bahoaka sy fanakorontanana ny mpitondra ny zava-mitranga tato ho ato tahaka ny fandorana ny rovan’Ambohidratrimo sy ny resaka bois rond misy fantsika.
Ady
Efa tsy fampandrian-tany intsony fa ady mihitsy no tokony hatao amin’ny dahalo ka ny tafika no manao izany miaraka amin’ny fitaovana rehetra ilaina raha toa ka mijanona amin’ny resaka fanangonam-baovao fotsiny ny zandarimariam-pirenena. Mila fiomanana sy paikady mazava anefa izany, hoy izy satria tena tsapa fa tsy ampy fiofanana hiady, tsy ampy basy, tsy ampy bala ny miaramila malagasy. An-kilan’izay dia be resaka fotsiny ireo be galona fa tsy hita akory izay asa mivaingana. Rehefa mahita ny filoham-pirenena fa tsy mahafa-po na tsy mahavita azy ireo miara-miasa aminy na tompon’andraikitra ambony dia tokony ho sahy manolo azy ireo izy fa tsy lany olomanga sy mahay isika, hoy izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.