Politique

Jeneraly be kintana Mananatra ireo zandry tsy hitsabaka amin’ny politika


  • Alakamisy 28 Mey 2015

Amin’izao vanim-potoana mampafana ny toe-draharaha politika eto Madagasikara izao dia manentana ireo mpikambana ao amin’ny fianakaviamben’ny Foloalindahy ny manamboninahitra jeneraly iray izay mbola mitana andraikitra ambony amin’izao fotoana izao ny amin’ny tsy tokony haneken’izy ireo hatao fitaovana hiarovana tombontsoa politika intsony. Afo nandoro izany ka tsy mila haverina intsony.

 

« Migadragadra amin’ny tsy antony ny Foloalindahy rehefa tafiditra lalina amin’ny resaka politika ka mampalahelo ny fiafarany sy ny taranany sady henatra ho an’ny Foloalindahy ihany koa », hoy izy. Araka ny fijeriny dia ny mpanao politika ihany no mamaha ny olana politika. Ny anjaran’ny Foloalindahy dia ny miaro ny vahoaka sy ny fananany ary ny andrim-panjakana. Tsy natao ho fitaovana herim-pamoretana ny Foloalindahy fa miaro ny zon’ny tsirairay. Ny toe-javatra toy izany no nahatonga ny fifandirana ao anivon’ny Foloalindahy ka niteraka ny fisaraham-bazana ary manimba zavatra betsaka, hoy ity jeneraly be kintana ity nampatsiahy.

Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT