Tsy vaovao ny fiaraha-miasa amin’ny vahiny ary safidin’ny tsirairay ny hanao azy. Tsy maintsy mahafantatra ny atao hoe « Geopolitique » matoa milatsaka ho filoham-pirenena izany ary olon-dehibe.
Ny tanjona dia ny hitady izay hahafahana mampandroso haingana. Mila miara-miasa amin’ny firenena matanjaka isika eo amin’ny resaka teknolojia sy fampandrosoana manaraka ny fenitry ny tontolo iainana ohatra. Iarahantsika mahalala fa ny firenena mandroso amin’izao dia i Brezila, Etazonia, Sina sy izay firenena tsy miandany. Hampandroso firenena no hataon’ny kandida ho filoham-pirenena, Jean Ravelonarivo, izay tohananay, hoy ny filohan’ny Antokom-BAhoaka malagasy (ABA), Danny Herintsoa Rakotoson, ka rehefa ho tonga eo amin’ny toerany ve izy vao hitady firenena hiara-kiasa aminy. Izao izany dia mila tadiavina satria ny fampitarazohana ny fampandrosoana dia averiko foana fa naman’ny famonoana olona, hoy hatrany ny filohan’ny antoko ABA.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.