Anisan’ny notsindrian’ny praiminisitra Jean Ravelonarivo mafy ny ady amin’ny fanondranana amin’ny fomba tsy ara-dalàna ny harem-pirenena malagasy sy ny mikasika ny fanondranana taolam-paty nandritra ny lahateniny teny amin’ny trano fivoriana teny Ivato omaly.
Raha nanontaniana mikasika ny resaka be mandeha amin’ny haino aman-jery sasantsasany eto an-drenivohitra mikasika ny raharaham-batosoa izay maha voarohirohy manamboninahitra kolonely iray miasa ao amin’ny kabinetra miaramilan’ny Primatiora anefa ny tenany dia tsy nahazoana valin-teny. Tsy henon’ny praiminisitra angamba ny fanontaniana noho ny fihetsik’ireo mpiambina azy sasany izay manositosika ny mpanao gazety manao ny asany. Marina fa tsy dia mampazoto ny mpanao politika loatra ny mamaly ny fanontaniana manohintohina apetraky ny mpanao gazety kanefa adidin’ny mpitondra ny manazava ny saim-bahoaka ary adidin’ny mpanao gazety ny mitatitra ny vaovao marina. Ka amin’ny fomba ahoana no ahafahana manao izany asa izany raha mampiseho tsy fahalalam-pomba lava izao ny mpiambina ireny olona ambony ireny ?
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.