Politique

Jean Ravelonarivo Mangataka sady be vava ?


  • Alatsinainy 16 Martsa 2015

Ho valin-kafatra ho an’Atoa François Goldblatt masoivohon’i Frantsa naneho tsy fankasitrahana sy fanahiana amin’ny mety ho fahalavorarian’ny fitantanan-draharaham-panjakana eto Madagasikara dia nanambara ny praiminisitra Jean Ravelonarivo fa firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara ka tsy tokony hitsabahan’ny vahiny ny fitantanana azy

 . Mbola tena marefo sy malemy ara-toekarena anefa isika ka tsy maintsy mbola miankin-doha amin’ny avy any ivelany, indrindra amin’izao vanim-potoan’ny loza voajanahary izao.  Eo amin’izay  politika ara-toekarena iraisam-pirenena izay anefa dia mbola manana toerana lehibe eo imasontsika i Frantsa satria izy no mbola mampihodina ny 80%-n’ny toekarena eto Madagasikara. Ny bankin’ny orinasa lehibe miasa eto sy ireo mpandraharaha karana mizaka ny zom-pirenena frantsay mifehy ny toekarentsika. Tsy te hiditra amin’ny raharahan-tokantranon’ny fanjakana Malagasy loatra ny vahiny raha tsy nangataka lava tany amin’ireo firenen-dehibe sy ireo banky iraisam-pirenena  isika. Eo amin’izay toe-draharaha izay no mahatonga ny vazaha miditra amin’ny ativilanin’i Madagasikara  satria azy ireo ny vola ampiasaina amin’ny fampandrosoana eto. Takian’izy ireo  ny fampihenana ny fandaniana eo amin’ny fitantanan-draharahantsika eto an-toerana dia tsy maintsy arahina izay. Mila miady amin’ny kolikoly isika dia hajaina izay. Tsy ny fanalana an’Atoa Robimanana Orlando amin’ny asany loatra no olana ho an’ny mpamatsy vola vahiny fa ilay fanalana azy tamin’ny toerana taorian’ilay resaka 40 miliara ariary saika havoaka tao amin’ny tahirimbolam-panjakana. Toa manambara eo imason’ny mpanara-baovao hoe esory rehefa tsy manaraka ny sitrapontsika sa  izay tokoa ? Tena  mahafanina  ny mieritreritra an’izany fiandrianam-pirenena izany kanefa ny sakafo hohanin’ny traboina aza mbola anaovana ragnandria etsy sy eroa.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT