Politique

Jean Ravelonarivo Lasany ny Radio Feon’ny Vahoaka, hanangana gazety koa


  • Sabotsy 29 Aogositra 2015

Miha mazava izao ny hirotsahan’ny jeneraly Jean Ravelonarivo amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018. Efa misy mivoy rahateo fa izy no kandidan’ny tanindrana amin’io.

 

Toa manamarina izany ireo tranga vitsivitsy niseho hatramin’ny nanendrena azy ho praiminisitra tamin’ny janoary 2015. Teo ny nividianany ny Radio Feon’ny Vahoaka (RFV) tamin’ny volana aprily, ilay radio tsy miankina voalohany nijoro nandritra ny hetsi-bahoaka tamin’ny 1991, nivoizan’ny Hery Velona Rasalamana ny heviny. Manan-kevitra ny hanangana gazety an-tsoratra ihany koa izy, ary re fa efa mandresy lahatra mpanao gazety izy handray an-tanana izany gazetiny izany. Efa notaterina teto ihany koa fa nividy fiara tsy laitram-bala tany Dubaï tany ihany koa ny praiminisitra, ary mpiara-miasa akaiky aminy no nikarakara ny fahazoana azy io tao anatin’ny vanimpotoanan’ny fampielezan-kevitra momba ny fifidianana kaominaly tamin’ny jolay 2015 iny. Sady tsy nandiso no tsy nanamarina io vaovao nivoaka io moa ny teo anivon’ny fiadidiana ny Primatiora hatramin’izao. Koa mazava ny fitenenana malagasy milaza azy izay hoe : manaiky matoa tsy miteny. Hihazo an’i Lafrantsa rahampitso izy. Fitsidihana ofisialy io, ary haharitra hatramin’ny 6 septambra 2015. Dia efa tokony ho nataony tamin’ny volana jona izy io saingy voatery nofoanana noho ireny resaka «motion de déchéance» narahina «motion de censure» nataon’ny solombavambahoaka ireny. Hisy fihaonan’ny praiminisitra Jean Ravelonarivo amin’ireo mpandraharaha frantsay lohandohany ao amin’ny MEDEF amin’ny 2 septambra. Betsaka ihany koa anefa no mihevitra fa mety ho fanomanana ny firotsahan-kofidiany amin’ny 2018 ity dian’ny jeneraly Ravelonarivo any Frantsa ity. Izay praiminisitra tonga tao Mahazoarivo ihany koa moa toa voan’ny viriosin’ity te ho filoha ity vao tafajanona volana vitsy ao. Hatramin’ny tetezamita 2009 no ho nankaty fotsiny dia ireny i Monja Roindefo, dia iny koa i Camille Vital. Ny jeneraly Jean Ravelonarivo ve no ilay «jamais deux sans trois» ? Hanomanany izany ny fidirany eo amin’ny tontolon’ny radio sy gazety sady manatevina ny vondron’orinasany «JJ».


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT