Politique

Jean Ravelonarivo Kandida faharoa nanatitra antontan-taratasy


  • Sabotsy 04 Aogositra 2018

Niditra amin`ny andro fahatelo amin`ny fanaterana ireo antontan-taratasy filatsahan-kofidiana filoham-pirenana omaly. Kandidà faharoa nametraka ny azy tetsy amin`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) i Jean Ravelonarivo.

Tamin`ny 11 ora antoandro no nigadona tetsy Ambohidahy ireo mpiara-dia aminy notarihan`i Tata Ambroise. Natao araka ny lalàna velona ny fametrahana ireo antontan-taratasy izay takian`ny HCC, hoy ny solontenany ary hanara-maso sy hanamarina ny lisi-pifidianana sy ny zon`ity kandidà ity. Manao antso avo an`ny olom-pirenena ny mpiara-dia amin`i Jean Ravelonarivo mba hahay handray andraikitra sy hiaro ny safidy satria izany no mahavelona ny demokrasia, hoy ny fanazavana. Nohamafisiny kosa fa manana hambom-po ho an`ny tanindrazana sy manana eritreritra  hanavotra an`i Madagasikara ary hisintona ny Malagasy hiala ao anaty fahantrana mba samy hiroborobo sy hisitraka ny harem-pirenena eto amintsika. Nanotrona ny fametrahana antontan-taratasy ireo mpikambana ao amin’ny biraon’ny antoko politika Antokom-Bahoaka Malagasy (ABA) sy ireo solontenan’ny fikambanana Madagasikara ho an’ny Malagasy Tsirairay (MaMaTsi) ary ny tapaka sy namana manohana an`ingahy Jean Ravelonarivo. Fantatra kosa fa i Zazah Ramandimbiarison no talen`ny fampielezan-kevitra ary nanamafy ny fahavonony hanohana ity kandidà izay tohanany izy. Efa tamin`ny 22 jona lasa teo no nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy fa hirotsaka hofidiana ho filohan’ny Repoblika izy. Nilamina tetsy Ambohidahy omaly, tsy dia tazana loatra ihany koa ireo mpitandro ny filaminana ankoatra ireo izay efa natao hiambina ny lapa. Mbola misy hatrany amin’ireo kandida izay hirotsaka hofidiana ka hanatitra antontan-taratasy firotsahana no tsy manara-baovao, fa mbola maka fanampim-baovao no betsaka, hoy ny mpiraki-draharaha eo anivon’ny HCC.

 

Raha tsiahivina, tany Sakadomo-Berevo, Distrikan’i Belo/Tsiribihina, faritra Menabe izy no nahita masoandro. 59 taona izy ankehitriny. Rehefa nisotro ronono ity manamboninahitra ambony tao amin’ny tafika ana habakabaka ity dia nirotsaka ho mpandraharaha amina sehatra maro samihafa. Mpikambana mpamorona ny « Rotary Club Antananarivo Ainga » ny tenany hatramin’ny taona 2009 ary efa governoran’ny « Rotary International – District 9220 » tamin’ny taona 2013 sy 2014. Manambady izy, telo ny zanany ary roa ny zafikeliny.


Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT