Jean Ravelonarivo
Hanao fitondra-miaramila ?
Ny faritra Anosy sy Androy no nosafidian’i Jean Ravelonarivo praiminisitra teo aloha, hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity, nifampizarana sy nampahafantarana ny vinam-piarahamoniny sy izay laharampahamehany ka nirotsahany ho kandida, naroson’ny antoko ABA, amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Faritra anjakan’ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy fanjarian-tsakafo ireo faritra ireo. “Haverina amin'ny laoniny ny fandriampahalemana ary vaindohan-draharaha ny ady amin'ny kolikoly ... Tsy ho anisan'ny firenena gisitra sy mahantra intsony i Madagasikara”, hoy i Jean Ravelonarivo nanoloana ireo olona nanoina ny fanasany tao amin'ny Kianja fanaovam-baolina Ampasamasay – Tolagnaro, ny alatsinany teo. Famerimberiny fa miaramila jeneraly izy, manana traikefa amin’ny fametrahana fandriampahalemana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.