Nivoaka tamin`ny fahanginany i Jean Ravelonarivo, kandidà filoham-pirenena farany teo. Nahita tsy fahatomombanana tamin`ny fifidianana ny tenany saingy tsy atao hihemorana izany, hoy izy.
Nambarany fa hita tamin`ny haino aman-jery ombieny ombieny ny mikasika ny valim-pifidianana vonjimaika. Tsy hitanisa ireo tsy nety toy ny lisi-pifidianana, fizarana kara-pifidianana, fanisam-bato manerana ny nosy nanomboka avy amin`ny biraom-pifidianana hatrany amin`ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI). Notsindrian`ity kandidà filoham-pirenena ity fa hitovizan`ny rehetra izany kanefa tsy azo adinoina ny fandaniana vola mihoapampana tamin`ny fampielezan-kevitra ho an`ny kandida sasantsasany. Tsy anisan`ireo nametraka fitoriana teny anivon`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana i Jean Ravelonarivo na dia nahita lesoka aza. Efa miroso ny valim-pifidianana ary nalefan`ny ambaratonga rehetra niala tany amin`ny CENI nankany amin`ny HCC, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.