Politique

Jean Ravelonarivo Amin’ny 31 jolay ny fifidianana


  • Zoma 03 Aprily 2015

Mampitovy tadin-dokanga Iavoloha sy Mahazoarivo. Nandritra ny fanotronany ny lanonan’ny zandarimariam-pirenena tetsy Anosy omaly dia nanamafy ny praiminisitra Jean Ravelonarivo, fa hatao ny faha 31 ny volana jolay izao ny fifidianana Ben’ny tanŕna sy mpanolotsaina.

 

 

Tafiditra amin’ny fandaharan’asan’ny Filohan’ny Repoblika ny fanatontosana ny fifidianana isaky ny antana-toha-pahefana rehetra hoy ny praiminisitra ka tokony ho vitaina izany. Ny mikasika ny sata manokan’Antananarivo dia nanambara ny  Mpiraiinisitra fa tokony efa hilamina alohan’ny datin’ny fifidianana ny fanitsiana azy hifanaraka amin’ny làlàm-panorenana. Ny praiminisitra  lehiben’ny governemanta izay  nanindry mafy fa iray amin’ireo teboka valo lehibe nambarany teny Tsimbazaza mikasika ny fandaharan’asam-pampandrosoana  norafetany ny momba ny fandriampahalemana sy ny filamianana Nasiany teny manokana ny fiarovana ny sisin-tanin’i Madagasikara amin’ny fivoahan’ny  harenan’ny Malagasy an-tsokosoko sy ny fiarovana manokana  ny fivezevezen’ny omby ato anatin’ny tanin’i Madagasikara. Nankahery sy niarahaba ny fianakaviamben’ny zandary ny mpiraiminisitra amin’izao tsingerin-taonany izao. Tsingerintaona izay manana ny teny faneva hoe  Zandarimariam-pirenena  mari-toerana eo anivon’ny fiaraha-monina  no sady mpiandry ny sata Repoblikanina amin’ny fomba mahomby sy matihanina.

Andry Ratovo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT