Sazy mihantona enim-bolana sy fanaraha-mason’ny Fitsarana mandritra ny dimy taona. Izay no didy navoakan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany etsy Anosy omaly momba ny raharaha nitsarana an’i Randrianamboarina Jean Pierre ilay mpianatra nitarika fitokonana teny Ankatso.
Fandrobana sy fanoherana mpitandro filaminana, fanaovana fihetseketsehana an-dalam-be tsy nahazahoana alalana sy fanozongozonana ny fiandrianam-pirenena izay miaraka hatrany amin’ny fankahalana ny fanjakana misy. Ireo no vesatra nitsarana an’i Jean Pierre ka nahazahoany ireo sazy notanisaina tery ambony. Tsy afa-po amin’io didy navoakan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany io moa ny mpisolovava an’i Jean Pierre ka hampikatrany raharaha eo anivon’ny fitsarana ambony.
I jean Pierre kosa rehefa nivoaka ny Fitsarana dia nilaza ny tena mbola tsy salama. Tsy hadinony kosa anefa ny nisaotra an’ireo nanohana azy rehetra akaiky na lavitra indrindra fa ireo mpianatra namany sy ireo mpampianatra tonga teny amin’ny fitsarana Anosy. “Mankahery antsika mpianatra tsy ho ketraka amin’ny fitakiana fa tsimaintsy mandresy isika. Zava-masina ny fanabeazana ka tsy azo atao tsinotsinona. Indrindra fa isika tanora no miantoka ny hoavin’i Madagasikara”, hoy i Jean Pierre namarana ny teniny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.