Politique

Jean Omer Beriziky Nendahina avokoa ny sariny


  • Talata 04 Septambra 2018

“Tsy ananan-kavana ny fampiharana ny lalàna” ary “ny zanaka tiana tsy itsisiana rotsa-kazo”.

 

Niharan’io ny praiminisitra tamin’ny tetezamita iraisana sady kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy, Jean Omer Beriziky. Zanak’i Sambava izy, avy any amin’ny kaominina Tanambao Daoud. Toerana maro talaky maso tao Sambava no nahitana afisy misy sariny. Nendahin’ny tompon’andraikitra tao an-toerana avokoa izy ireny fa mipetaka amin’ny toerana tsy azo ametahana afisy. “Mihatra amin’ny kandida hafa ve ny fepetra toy itony sa misy fitanilàna ? ”, hoy ny fanamarihan’ny mponina manoloana izao fanadiovana izao. Hatreto, tsy mbola voafaritra ny toerana voatokana tokony hametrahana ny afisin’ny kandida filoham-pirenena, izay miisa 36 amin’ity indray mitoraka ity, hany ka samy mametaka ny azy amin’izay mahadiavolana ny sainy ny rehetra, manararaotra ny gaboraraka !

Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT