Tsotra sady mazava ny an`ny kandidà Jean Omer Beriziky, mitondra ny laharana faha-19 ao amin`ny biletà tokana. Vonona ny tenany hitari-dalana ny Malagasy amin`ny fanovana sy fanarenana ny firenena amin`izao krizy misy eto amintsika izao.
Tsy mbola feno kosa ireo fepetra rehetra, hoy ity kandidà ity, mba ahafahana manatanteraka fifidianana na dia ara-teknika aza. Ny lisi-pifidianana, ohatra, betsaka ny olona manan-jo hifidy tsy tafiditra ao anatin`ny lisi-pifidianana. Eo ihany koa ny datim-pifidianana ao anaty fahavaratra ary mbola maro ny ara-teknika tsy tomombana. Nilaza izy fa ny vahoaka tsy miaina ao anatin`ny fitoniana tanteraka toy ny tsy fandriampahalemana, fitokonana,… Raha tsy tanteraka ny fitoniana mbola sarotra no hanomanana fifidianana, ka izany indrindra no nahatonga azy niteny foana hoe aleo hamboarina ny lalàna rehetra nahatonga savorovoro. Noho izany, nohamafisiny fa tokony handray fepetra ahafahana manaraha-maso amin`ny fomba hentitra mba tsy hiteraka korontana indrindra ny any ivelany satria matetika ny mpanara-maso dia ny sehatra iraisam-pirenena. Tokony hisy olon-kafa kosa, hoy ity praiminisitra teo aloha ity, hiditra amin`izany sehatra fanaraha-maso izany. Maro ireo fikambanana misehatra ao anatin`izany ka tokony homena enti-manana manokana ahafahany manatanteraka izany adidy lehibe izany. Miezaka hatrany ny antoko Antsika Madagasikara manatanteraka ny fanomanana rehetra mikasika ny fanaovana fifidianana ary efa miomana amin`ireo rantsan-mangaika any amin`ny faritra mba ahafahana manatanteraka izany. Omaly no nizara ny programan`asany i Jean Omer Beriziky tamin`ireo famondronan-kery ao anatin`ny Antsika Madagasikara toy ireo antoko UNDD, MDM, Grad Iloafo, Antsika Madagasikara… sy ireo fikambanana maro samihafa. Ampy traikefa izy, mahafantatra tsara ny zava-misy eto Madagasikara noho izy efa praiminisitra. Raha fehezina, miady amin`ny tsy matimanota, tany ho an`ny tanora, fanabeazana ara-kalitao ho an`ny rehetra, rafitra sy tobim-pahasalamana mendrika ho an`ny daholobe ary seha-pihariana matanjaka ny vinam-piarahamonin`ity kandidà ity.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.