Mahatsapa ny iharana fanavakavahana manoloana ny fanesorana ny fanesorana ny takelaby ny antoko Antsika Madagasikara.
Ireo fanesorana takelaby izay efa nandoavam-bola napetraka teto Antananarivo sy ny manodidina dia miendrika fanasoketana izany ary mampanahy ny tsy fisian`ny tokony ho izy amin`ny samy kandidà, hoy Jean Omer Beriziky, izay hisedra safidim-bahoaka. Misy ahiahy miteraka fitanilana manoloana ny kandidà sasany sady miteraka disadisa. Miditra amin`ny vanim-potoana lehibe ny firenena, hoy i Jean Omer Beriziky kanefa raha hiatrika fifidianana dia hanatanteraka adidy amin`ny mpiara-belona. Mila fitoniana sy fanajana fa hanaovana antso avo amin`ireo tompon’andraikitra tsirairay noho ny maha zava-dehibe ny fifidianana. Ny teo anivon`ny kaominina Antananarivo Renivohitra dia nanome fangatahana fanazavana izay nilaza fa manana alalana hanala ireo takelaby ireo noho ireo fifanarahana tsy manan-kery satria ny takelaka dia natokana ho an`ireo orinasa mampidi-bola, izany hoe “activitè non commerciale”. Raha ny fantatra anefa dia didy navoakan`ny minisitera misahana izany no nahatonga ny fanapahan-kevitra. Hoesorina ireo takelaby tsy manaraka fepetra araka ilay didy navoakan`ny minisitera miadidy izany sehatra izany. Ny kandidà Jean Omer Beriziky kosa dia manameloka ny kaominina satria izy irery no mahazo atsonjay, araka ny nambarany. Nanambara ihany koa ny talen`ny fampielezankevitra, Elia Ravelomanantsoa fa hametraka fitoriana na “requete”eo anivon`ny CENI Madagascar. Andrasana izay fanambarana havoakan`ireo tompon’andraikitra amin`ny fikarakarana fifidianana saria efa toa mihoa-pefy ireo tsy fanarahan-dalàna eo amin`ny samy kandidà, hoy hatrany ny mpanara-baovao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.