Mandray andraikitra hatrany amin’ny maha olom-pirenena feno azy amin’ny raharaham-pirenena ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina.
Taorian’ny nanambarany ny tsy hilatsahany hofidiana ho filoham-pirenena dia fantatra izao fa voatendry ho talen’ny fampielezan-kevitry ny antoko Gasy Mifankatia ny tenany na ny GASIMI. Omaly no nampahafantarana izany tamim-pomba ofisialy tao Rambo Ambohijafy Toamasina, toerana izay hanehoan’ity filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy ity ny fahaiza-manaony amin’ny fitarihana ny fampielezan-kevitra. Nambaran-dRafanomezantsoa Jean Nirina moa fa ny kandida Zafivao Jean Louis hatolotry ny GASIMI no sahy nanao sonia ny rafitra fokonolona sy fokontany noho izany vonona ny hanohana sy hampandany ity farany ny fikambanana izay tarihiny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.