Ny fanatontosana ny fifidianana ihany ho an-dRafanomezantsoa Jean Nirina, filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy no lalan-tokana hahafahana mampandroso ny firenena.
Miantso ireo olom-pirenena rehetra feno 18 taona, araka izany, ny tenany mba hanefa ny adidy masina amin’ny alalan’ny fandatsaham-bato amin’ny datin’ny 19 desambra ho avy izao, fotoana hanatanterahana ny fihodinana faharoa. Nomarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina fa tsy mbola nanao fanambarana ny tenany hatreto mikasika izay kandida hotohanany. Lainga hoy izy ny fanaparitahana vaovao amin’ny tambajotran-tserasera facebook ankehitriny fa manohana ny kandida laharana faha-13 ny tenako. Nohamafisiny kosa fa zava-dehibe ny fiatrehana ny fifidianana ho an’ny Malagasy rehetra. Ho an’ny fikambanana HAFARI manokana dia mitohy hatrany ny asa sosialy tanterahin’izy ireo. Anisan’izany ny fanohizana ilay tetikasa fifindra-monina hahafahan’ny Malagasy misitraka tany ho azy mahaleotena ankoatra ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.