Politique

Jean Nirina- HAFARI Tsy ho kandida indray


  • Sabotsy 04 Aogositra 2018

Tsy ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena hotanterahina ny 7 novambra ho avy izao indray Rafanomezantsoa Jean Nirina, filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy.

 Ny tsy fananany  ilay taratasy manamarina ny fijoroan’ny antokony  ara- dalàna na ny nanoloran’ireo olom-boafidy miisa 150  azy ho  kandidà no antony, araka ny fanazavany tamin’ny mpanao gazety omaly ka aleony miandry amin’ny manaraka indray. Na izany aza anefa dia tsy hijanona hatreo ny fikambanana fa eo am-pitadiavana vahaolana mihitsy. Anisan’ny hisantarany izany ny fitetezam-paritra nanomboka omaly hametrahany ny  antokony isam-paritra ahafahany manana olom-boafidy  maro toy ny solombavambahoaka afaka hanolotra azy ho filoha amin’ny fotoan’androny. Nomarihin’ny filoha nasionalin’ny HAFARI fa tsy manohana kandida hafa izy ireo hatreto. Miisa 16 ireo kandida efa nihaona sy nifanatona taminy saingy  tsy mbola nanaiky hanatanteraka ilay rafitra fokonolona entina hampandrosoana ny firenena takiany hatreto. Ny 20 aogositra ho avy izao no fe-potoana farany napetraky ny teo anivon’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) hametrahan’ireo kandidà ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT