Naneho ny heviny mikasika ny fampihaonana voalohany ny kandida Marc Ravalomanana laharana faha-25 sy ny kandida laharana faha-13 tao amin’ny televizionam-panjakana ny Alahady hariva teo ny filoha nasionalin’ny fikambanana Hafari Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina.
Nambarany fa ny fanomezan-danja ny fokontany sy ny fampandraisana anjara ny fokonolona ary ny fanomezana jiro hanazava ny tanàna no tena nahaliana azy tao anatin’ny fandaharan’asan’izy ireo. Na inona na inona hataon’ireto kandida roa mpifanandrina ireto rehefa tsy omen-danja ny fokonolona sy ny fokontany dia zava-poana ihany, hoy izy. Anisan’ny nahaliana azy koa ny fifandraisan-tanan’izy mianaka izay notsindriany manokana fa tokony hatao ao anatin’ny fo madio satria samy milaza azy ho Kristianina izy ireo. Izay indrindra no antony hanomezany ilay soso-kevitra ny amin’ny tokony hanatonan’ny roa tonta ny raiamandreny am-panahy FFKM mialoha ny fifanatrehana faharoa. Tokony hisy ny fifanekena fa samy hanaiky izay voka-pifidianana hisy eo ny roa tonta satria tsy maintsy hisy ny mpandresy sy ny resy. Samy manaiky ihany koa fa vonona ny hifanohana hampandroso an’i Madagasikara izy ireo arahina fifamelan-keloka sy fitaizana ny mpanohana avy mba tsy hifankahala sy hifandrafy. Mikasika ireo mpanao gazety izay mametraka ny fanontaniana indray dia hangatahin’ity filohan’ny HAFARI ity ny hisokafan’izany amin’ny mpanao gazety hafa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.