Nampanantsoina nanaovana fanadihadiana teny amin’ny Biraon’ny zandarimaria teny Betongolo i Jean Nirina Rafanomezantsoa, talen’ny fampielezan-kevitry ny kandida filoham-pirenena Zafivao Jean Louis sy ny talen’ny seraseran’ity kandida ity ny sabotsy tolakandro teo.
Navotsotra iry voalohany raha toa ka mbola notazonina kosa ilay talen’ny serasera taorian’ny fanadihadiana. Raha ny nambaran-dRafanomezantsoa Jean Nirina, dia fitoriana nataona olon-tsotra miisa folo noho ny filazana ireto olona akaiky ny kandidan’ny antoko GASYMI ho misandoka andraikitra no fototry ny fitoriana. Resaka alahelon-toerana sy ady anatiny io satria olona tato aminay ihany ireo nitory ireo. Misy resa-bola ity raharaha ity, ka raha ny nambarany dia naka vola 100 tapitrisa tany amin’ny kandida izy ireo, fa tsy nahazo afa tsy 1 200 000Ar ka manakorontana sy migafy, ary any aminy sy ny talen’ny serasera indray no hitadiavana izany. Tsy hanaiky izao fihetsika izao ny kandida Zafivao Jean Louis, fa mandray izany ho fanakorontanana ka hametraka fitoriana ireo mpitory satria voatery nanatsahatra ny fitetezam-paritra nataony ary tsy afa-manao ny asany ilay talen’ny serasera, hoy hatrany i Jean Nirina Rafanomezantsoa. Raisin’izy ireo ho gafy atao amin’ny fifidianana na “sabotage électoral” rahateo ny zava-misy. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.