Niala tsy ho talen’ny fampielezan-kevitry ny kandida Zafivao Jean Louis, Rafanomezantsoa Jean Nirina, filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy.
Efa tamin’ny 8 oktobra lasa teo ny tenany no tsy navelan’ny kandida Zafivao Jean Louis nanao fampielezan-kevitra intsony. Noho ity kandida iray ity tafiditra ao anatin’ny vondron’ireo kandida miisa 26 mangataka ny hamerenana hanokafana ny lisi-pifidianana no antony. Tsy mifanaraka amin’ny fomba fijerin’ny filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy anefa izany. Aminy dia tokony hirosoana hatrany ny fifidianana satria izay ihany no lalan-tokana hahafahana mamaha izao olana mianjady eto amin’ny firenena izao. Miantso ny olona rehetra mba hifidy malalaka Rafanomezantsoa Jean Nirina rahampitso alarobia 7 novambra sady miantso fitoniana sy fanekena izay safidim-bahoaka hivoaka eo ihany koa aorian’ny fifidianana. Nomarihiny manokana fa tsy tompon’antoka intsony ny amin’izay isam-bato mety ho azon’ny kandida Zafivao Jean Louis ny tenany.
Pati
Legende : Rafanomezantsoa Jean Nirina, filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy manana ny fomba fijeriny ihany koa (Sary Tahiry)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.