Naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny Rafanomezantsoa Jean Nirina, filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy omaly.
Nambarany fa ny maika ary hiantsoany ireo raiamandreny am-panahy ao amin’ny FFKM ny fanatanterahana ilay fifanarahana ara-politika mialoha ny hanatontosana ny fifidianana fihodinana faharoa. Fifidianana tsy hampandroso an’i Madagasikara iny vita teo iny satria tsy hita taratra tao ny ara-drariny fa ny ara-dalàna no tena nanjaka. Ankoatra izay dia samy niaiky ireo kandida 36 isa fa betsaka ny lesoka tamin’iny ary tsy nisy sahy nilaza ny rehetra fa mangarahara sy neken’ny rehetra. Midika izay fa hiteraka korontana eto amin’ny firenena io fifidianana fihodinana faharoa io raha toa ka mbola hatao amboletra ihany. Ny hisoroka ny ra mandriaka no antony nanaovany izao fanehoan-kevitra izao amin’ny maha olom-pirenena feno azy eto amin’ny taniny. Nomarihiny fa na dia nahatratra 54 % aza ny salam-pahavitrihan’ny mpifidy tamin’ny fifidianana fihodinana voalohany notanterahina ny 7 novambra lasa teo iny dia ireo tsy afaka nifidy no betsaka. Anisan’izany ny tenany. Tafiditra tokoa tao anaty lisi-pifidianana ny anarany saingy laharana kara-panondro an’olon-kafa no teo amin’ny anarany tsy afaka nifidy izy ary tsy hifidy ihany koa amin’ny fihodinana faharoa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.