Politique

Jean Max Rakotomamonjy Vonona hiala aho…


  • Alarobia 21 Oktobra 2015

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly talata 20 oktobra ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny antenimieram-pirenena. Volavolan-dalŕna 13 no hodinihana mandritra ny 60 andro.

 

 Ny azo antoka fa hibahan-toerana dia ny fandinihana sy fiadian-kevitra momba ny tetibolam-panjakana 2016. Bangabanga ihany ny seza sasany teny Tsimbazaza omaly, izay toa nanamarina ny resaka mandeha fa misy depiote mivorivory any ambadika any miketrika ny fanonganana ny birao maharitra. Raha nanontaniana momba an’io ny filohan’ny antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy dia nilaza fa tsy mbola mahalala ny momba izany. Tsy midongy toerana aho fa afaka miala rehefa izay no tapaky ny besinimaro, hoy izy. Raha ny resaka mandeha efa ho 3 andro izao dia ny depiote HVM no ao ambadiky ny  fanonganana ny birao maharitra. Afaka mangataka io fandravana io ny depiote na antoko na vondrona politika ao amin’ny antenimieram-pirenena, saingy tsy maintsy mahazo ny maro an’isa dia ny roa ampahatelon’ny depiote izany hoe 102 amin’ny 151 vao azo ekena io fanonganana io. Hivory moa anio maraina ny birao maharitra ary amin’ny tolakandro kosa ny fivorian’ireo filoham-baomiera ka ho hita eo izay ho endriky ny lahadinika eny Tsimbazaza eny sy ny mety ho fivoaran’ny toe-draharaha.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT