Takian’ny depioten’ny fanovana ny fialan’ny filoha, praiminisitra, governemanta, filohan’ny antenimierandoholona fa toa tsy mba voatonona firy kosa ny filohan’ny antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy.
Inona no mety ho anton’izany ? Efa miara-dia amin’ny depioten’ny fanovana ve ny tenany ankehitriny , sa inona no tena heviny marina ? Raha tsiahivina dia teny amin’ity andrim-panjakana tarihiny no nivoahan’ny pitik’afo nandrehitra ny tolona, ka tonga amin’izao tanjany izao rehefa nahavita nampiasa hery ka nandatsa-dra ny fanjakana HVM ny andron’ny 21 aprily nisian’ny famoriam-bahoaka voalohany. Mazava ny tenin’ny eny an-kianja fa tsy hanaiky velively ny handraisan-dRivo Rakotovao ny fahefana raha miala i Hery Rajaonarimampianina satria na ny nahatongavan’ity farany teo aza, dia tsy ara-dalàna fa fanonganam-panjakana, hoy ny eny amin’ny 13 mey. Ny filohan’ny antenimieram-pirenena ve izany no mety hampitondraina ny baolina raha voaendaka amin’ny toerany eo ny filoham-pirenena sy ny filohan’ny antenimierandoholona ? Tsy voafaritry ny lalàmpanorenana ny momba izany, saingy mety hiseho ao anatin’ny fifanarahana politika aorian’ny fialan’ny fanjakana HVM tanteraka. Miandry izay hiseho ny rehetra satria na ho ela na ho haingana, dia tsy maintsy hifarana ny tantara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.