Tsy dia nampoizin’ny maro loatra, indrindra ny mpanao gazety tonga maro teny an-toerana, ny nahatongavan’ireo lohandohan’ny mpisorona mpitarika ny ARAMADA na ny Alliance Républicaine de Madagascar nahitana ny jeneraly Camille vital, Atoa isany Jean Louis Robinson,
Hajo Andrianainarivelo, Rtoa Christine Razanamahasoa niampy ny mpikambana ao amin’ny birao politikan’ny antoko Leader Fanilo Atoa Andriamiarisatrana Noel, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza omaly alatsinainy 22 jona maraina ka noraisin’Atoa Jean Max Rakotomamonjy tao amin’ny birao fiasany ary nidinidinika tao nandritra ny fotoana naharitraritra ihany. Tsy azon’ny mpanao gazety natrehana ny dinika ka tsy nisy resaka nipika tamin’izay dinika nifanaovan’izy ireo tao. Ireo mpitarika no nezahina natonina rehefa nivoaka ny efitranon’ny filohan’ny Antenimiera. Nambaran’izy ireo fa tsy misy mahazo tombontsoa amin’ny fisavorovoroana. Tsy misy afa-tsy fifanakalozan-kevitra ho fanatanterahana ny didy tsy azo hivalozana navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana no hahatrarana ny fampandrosoana ny firenena katsahin’ny rehetra ankehitriny na eo aza ny tsy fananan’ny ARAMADA soso-kevitra afa-tsy ny hoe : “atao ny fifidianana filoham-pirenena mialoha ny fotoana”. Inoana anefa fa nisy resaka fizarazarana toerana mba hisian’ny fitoniana ka hananan’ny fitondrana misy ny ankehitriny marin-toerana tsara noho ny savorovoro nisy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.