Politique

Jean Max Rakotomamonjy Mila ny minisitry ny vola eny Tsimbazaza anio


  • Alarobia 21 Novambra 2018

Andrasana ny fandalovan’ny minisitra misahana ny vola sy ny tetibola, Vonintsalama Andriambololona eo anivon’ny Antenimieram-pirenena.

 

Voafaritra omaly tokoa ny fihaonan’ny roa tonta momba ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho amin’ny taona ho avy. Ao anatin’ny fivoriana izao ny eo anivon’ny Antenimieram-pirenena hamelabelarana ny tetibolam-panjakana taona 2019, kanefa nambaran’ny filohany, Jean Max Rakotomamonjy fa tsy azo ekena ny mamadika andraikitra amin’ny olon-kafa. Ny minisitry ny vola sy ny tetibola mihitsy no angatahin’izy ireo ho avy  hanazava azy eny amin’ireo solombavambahoaka, mialoha ny handinihana sy handaniana izany. Nambarany hatrany fa tsy hiroso amin’ny fandinihana tetibola izy ireo sy ny vaomiera maharitra raha tsy tonga eny an-toerana ny minisitra. Ny tomponandraikitra voalohany no manazava izany, satria misy ifandraisany amin’ny Fanjakana ary fifanajana amin’ny fiaraha-mitantana. Marihina fa anio dia efa hankatoavina indray ny volavolan-dalàna raha ny daty efa voatondro teo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Somary fohy ny fotoana handaniana ity tetibolam-panjakana lasitra ho amin’ ny taona 2019 ity. Ankoatra izay, hikarakara atrikasa valin’ny fanadihadiana mahakasika ny ezaka  izay natao ampiharana ny lalàna eto Madagasikara ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona ny alakamisy ho avy izao, etsy amin’ny Hotel Colbert Antaninarenina. Iarahana miasa amin’ny fikambanana FES ny tetikasa ary tohanan’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT