Politique

Jean Max Rakotomamonjy “Mila fitoniana sy fihavanana ny Malagasy.”


  • Alakamisy 23 Aogositra 2018

Anisan’ireo 36 mianadahy amin’ireo kandida ho filoham-pirenena neken’ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana handray anjara amin’ny fifidianana atao ny 7

 
novambra izao ny filohan’ny antenimieram-pirenena natolotry ny antoko Leader Fanilo izay tarihiny, Jean Max Rakotomamonjy. Nanamafy ny tenany fa tsy miady amin’ny filoham-pirenena ankehitriny, Hery Rajaonarimampianina, akory. Ny fomba fijerinay no tsy mitovy, hoy izy. Mila fitoniana sy fihavanana ary firaisankina ny Malagasy. Anisan’ny ho vain-dohan-draharaha ao anatin’ny praogramany moa raha ny nambarany ny mikasika ny fitantanana ny fitsarana eto Madagasikara. Tanjona ny andraisan’ny olom-pirenena tsirairay anjara biriky amin’ny fandraisana an-tanana ny hoaviny, hoy izy na eo amin’ny ara-piainana na fandriampahalemana. Hojerena manokana ihany koa ny eo amin’ny lafiny fahasalamana satria tsy zakan’ny vahoaka intsony ny vidim-panafody. Tsy maintsy atao, hoy izy, izay hahatafiditra ny zaza Malagasy rehetra an-tsekoly.

 

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT