Politique

Jean Max Rakotomamonjy Manaiky fandravana governemanta sy antenimiera


  • Sabotsy 05 Mey 2018

Raha ny fandravana ny antenimieram-pirenena na ny governemanta no vahaolana amin'izao olona eto Madagasikara izao dia ekeny ny firosoana amin'izany, raha ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy taorian’ny fihaonany tamin’ny FFKM teny Tsimbazaza omaly.

Tsy manaiky ny fanalana ny filoha amin'ny toerany mialoha ny fe-potoana ara-dalàna kosa anefa ity filohana andrim-panjakana ity noho ny fanajantsika ny sata repoblikanina, araka ny fanazavany. Mikasika ny toe-draharaha eny Tsimbazaza kosa, dia miantso ny depiote hiverina an-dapa izy. Efa mivaly io ny fanapaha-kevitry ny Fitsarana, ary efa io ny valin’ny fanapahan-kevitry ny HCC momba ny asa nataontsika ka dia miantso ny depiote rehetra mba ho tonga hamonjy ny asantsika, adidintsika izay efa nekentsika teo amin’ny vahoaka, hoy izy. Araka ny fandaharam-potoana efa lany, dia manantena indrindra ny fahatongavantsika, hoy hatrany ny hafatra nataony. Ny depioten’ny fanovana kosa anefa mbola mitazona ny velirano nataony, dia ny fandravana ny governemanta sy ny fialan’ny filoha, raha mihevitra ny an-daniny fa hiverina an-databatra izy ireo taorian’ny nandavan’ny HCC ny lalàm-pifidianana. Ny didy avoakan’ny HCC momba ny fangatahana fialan’ny filoha indray izao no mety hamaritra ny ho avy. Zara raha misy depiote tonga mivory eny Tsimbazaza, ary tombanana ho tsy mihoatra ny 50 isa. An-dalam-paharavana tanteraka ity andrim-panjakana ity.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT