Nihazo ny Lapan’i Mahazoarivo ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy omaly misandratr’andro. Tao an-toerana ny praiminisitra Jean Ravelonarivo tamin’io.
Azo antoka fa nisy ny fihaonan’ny roa tonta na tsy nisy fampitam-baovao ofisialy manodidina izany aza nomena ny mpanao gazety. Tsy dia fahita loatra ny filohan’ny Parlemanta tonga eny fa ao raha. Miseho ny fifanatonan’ny roa tonta, taorian’ny nandaozan’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina an’i Madagasikara nihazo an’i Etazonia, hamonjy fivoriambe faha-70-n’ny Firenena Mikambana any New York, sy ao ankatoky ny fivoriana tsy ara-potoanan’ireo solombavambahoaka, izay hanomboka anio. Inona no ketrehin’izy roalahy samy lehiben’ny Andrimpanjakana izay vao tsy ela no tsy nitovy hevitra tao anatin’ireny “motion de censure” na fitsipaham-pitokisana saika nitarika tany amin’ny nanonganana ny governemanta ireny ? Nampitovy tadin-dokanga ? Mandamina ny fomba hamitana ny “Mémorandum” izay resahina betsaka tao ho ao ? Sa zavatra hafa mihitsy ? Andron’ny mangarahara moa izao ka andrasana ny akon’io fihaonana io.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.